<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>743</hymn_number>
<title>Ny andronay mandala FFPM743</title>
<lyrics>[V1]
 Ny andronay mandalo
 Lany foana taminay ;
 Ny mandrakizay no hatoninay,
 Nefa adala izahay.
 Ry mpanota, ifony ny
 helokao,
 Fa Jeso tia anao
 Mba tsy ho very mandrakizay,
 // Avoty ny ainao //

[V2]
 Ny fiadanan-dratsy
 No mba manadala anay
 Hijanona foana atý izao
 Hanadino ny Rainay,
 Mba hevero ry olon-ko
 faty e !
 Tsy ela no etý ;
 Tsarovinao fa hody tokoa ;
 // Antsoiny hianao //

[V3]
 Ny taninay havela,
 Mpivahiny izahay ;
 Tsy maintsy hiainga hiala atý
 Any no hodianay.
 Tsara sady mazava
 Ny tranonao,
 Miomàna, fa hankao ;
 Tazano, fa mivoha izao ;
 // Midira hianao //</lyrics>
</song>